Bokin'i Isaia 30:18
Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 32:4Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
Job 35:14Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
Psalms 27:14Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah.
Psalms 34:8Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
Psalms 46:10Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.
Psalms 62:5Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. [Sela.]