Bokin'i Isaia 30:2
Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:68Ary ianao ho entin’ i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin’ izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin’ ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.
Judges 9:15Fa hoy ny tsilo tamin’ ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ ny tsilo ka handevona ny sederan’ i Libanona.
2 Kings 17:4Ary ny mpanjakan’ i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin’ i So, mpanjakan’ i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan’ i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
Isaiah 16:3Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
Isaiah 20:5Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’ i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.
Isaiah 36:6Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.