Bokin'i Isaia 30:27
Indro, avy any lavitra any ny anaran’ i Jehovah, mirehitra amin’ ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin’ ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 33:2Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.
Psalms 79:5Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Isaiah 33:12Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ ny afo izy.
Isaiah 59:19Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.
Isaiah 66:15Fa, indro, Jehovah ho avy amin’ ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin’ ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin’ ny lelafo.