Bokin'i Isaia 30:6
Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 5:10Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka niteny tamin’ ny olona nanao hoe: Izao no lazain’ i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
Deuteronomy 4:20Fa ianareo no nalain’ i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’ izao anio izao.
Deuteronomy 17:16Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
2 Chronicles 9:1Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan’ i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’ i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’ izay rehetra tao am-pony.
2 Chronicles 28:20Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
Isaiah 8:22Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.