Bokin'i Isaia 32:17
Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ ny saha mahavokatra.
Cross References
Esther 9:30Ary nampitondra taratasy ho any amin’ ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin’ ny toko fito amby roa-polo amby zato amin’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
Psalms 72:3Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana.
Psalms 112:6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
Proverbs 1:33Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
Isaiah 2:3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
Isaiah 11:6Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ ny zanak’ ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ ny zanak’ osy; Ary ny zanak’ omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.