Bokin'i Isaia 32:3
Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the eyes of them that see shall not be dim, and the ears of them that hear shall hearken.
In Context
4Ny fon’ izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’ izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
Cross References
Isaiah 29:18Amin’ izany andro izany dia ho ren’ ny marenina ny tenin’ ny taratasy, ary na dia ao amin’ ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ ny jamba.
Isaiah 30:26Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
Isaiah 54:13Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ ny zanakao.
Jeremiah 31:34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Mark 7:37Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
Acts 26:18hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.