Bokin'i Isaia 32:6
Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’ i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ ny mangetaheta rano hosotroina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
Cross References
1 Samuel 25:10Fa Nabala namaly ny mpanompon’ i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak’ i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ ny tompony.
Job 24:2Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy.
Proverbs 11:24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
Isaiah 3:15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isaiah 59:13Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
Ezekiel 34:18Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen’ ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin’ ny tongotrareo ny sisa?