Bokin'i Isaia 32:7
Ary ratsy ny hafetsen’ ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 21:10Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
Psalms 64:4Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
Isaiah 1:23Ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin’ ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Isaiah 59:3Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
Jeremiah 5:26Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
Micah 2:1Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.