Bokin'i Isaia 33:10
Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin’ ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Now will I rise, saith the LORD; now will I be exalted; now will I lift up myself.
In Context
Cross References
Exodus 15:9Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
Psalms 7:6Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. [Sela.]
Psalms 12:6Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany.
Psalms 78:65Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.
Isaiah 2:21Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Isaiah 10:33Indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin’ ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;