Bokin'i Isaia 33:11
Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Ye shall conceive chaff, ye shall bring forth stubble: your breath, as fire, shall devour you.
In Context
Cross References
Job 15:35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Psalms 7:14Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
Psalms 83:5Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely.
Isaiah 5:24Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Isaiah 9:17Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
Isaiah 17:13Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ ny tadio.