Bokin'i Isaia 33:15
Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 23:6Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
Numbers 16:15Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin’ i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ ny anankiray aminy akory aza.
1 Samuel 12:3Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
1 Samuel 26:8Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
Job 31:7Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako:
Job 31:29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy