Bokin'i Isaia 33:16
Izy no honina ao amin’ ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
Cross References
1 Kings 19:6Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan’ ny lohany nisy mofo voaendy tamin’ ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Psalms 18:33Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
Psalms 34:10Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
Psalms 62:7Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
Psalms 91:1Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
Psalms 107:41Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.