Bokin'i Isaia 33:8
Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
Cross References
Leviticus 26:22Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
1 Samuel 17:10Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan’ ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
2 Kings 18:13Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
Psalms 10:5Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?
Isaiah 10:13Fa izy manao hoe: Tamin’ ny herin’ ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
Isaiah 35:8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.