Bokin'i Isaia 34:10
Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 1:31Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
Isaiah 24:1Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
Isaiah 66:24Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon’ ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
Jeremiah 49:18Ary toy ny nandravana an’ i Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian’ olona honina any, na zanak’ olombelona hivahiny any.
Ezekiel 29:11Tsy hodiavin-tongotr’ olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
Mark 9:43Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina.