Bokin'i Isaia 34:2
Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 11:20Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Isaiah 13:5Izay avy any amin’ ny tany lavitra, any amin’ ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan’ ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
Isaiah 30:25Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.
Isaiah 66:16Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’ i Jehovah hifandahatra amin’ ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan’ i Jehovah.
Jeremiah 25:31Mihatra amin’ ny faran’ ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin’ ny firenena; Mifandahatra amin’ ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ ny sabatra, hoy Jehovah.