The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 34 › Bokin'i Isaia 34:5

Bokin'i Isaia 34:5

Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For my sword shall be bathed in heaven: behold, it shall come down upon Idumea, and upon the people of my curse, to judgment.

In Context

4Izay rehetra eny amin’ ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ ny ravina mihintsana avy amin’ ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ ny aviavy.

6Ny sabatr’ i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ ny matavy sy amin’ ny ran’ ny zanak’ ondry sy ny osilahy ary amin’ ny fonomboan’ ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ ny tany Edoma.

Read all of Bokin'i Isaia 34

Cross References

Deuteronomy 27:15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.

Deuteronomy 32:14Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.

Psalms 17:13Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy;

Isaiah 21:11Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?

Isaiah 63:1Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.

Jeremiah 47:6Indrisy ry sabatr’ i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midìra ao amin’ ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 34:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 34:4Bokin'i Isaia 34Bokin'i Isaia 34:6 →