Bokin'i Isaia 35:2
Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
Cross References
Exodus 33:18Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
1 Chronicles 16:33Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
Psalms 50:2Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’ Andriamanitra.
Psalms 72:16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany.
Psalms 89:12Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
Psalms 96:12Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala