Bokin'i Isaia 35:4
Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
5Dia hampahiratina ny mason’ ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ ny marenina.
Cross References
Joshua 1:6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
1 Chronicles 28:20Ary hoy koa Davida tamin’ i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
Psalms 116:11Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
Isaiah 25:9Ary holazaina amin’ izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny isika.
Isaiah 28:16Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
Isaiah 32:4Ny fon’ izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’ izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.