Bokin'i Isaia 35:5
Dia hampahiratina ny mason’ ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ ny marenina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then the eyes of the blind shall be opened, and the ears of the deaf shall be unstopped.
In Context
Cross References
Job 33:16Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
Proverbs 20:12Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa.
Isaiah 32:3Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.
Isaiah 42:16Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
Isaiah 48:8Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
Jeremiah 6:10Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin’ i Jehovah ka tsy ankamaminy.