Bokin'i Isaia 35:6
Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ ny tany karankaina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Dia hampahiratina ny mason’ ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ ny marenina.
Cross References
Exodus 17:6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
Nehemiah 9:15ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin’ ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
Psalms 51:15Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
Psalms 107:35Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
Isaiah 35:1Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
Isaiah 41:18Hampiboika renirano ao amin’ ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.