Bokin'i Isaia 35:9
Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 15:13Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.
Psalms 107:2Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,
Isaiah 30:6Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
Isaiah 62:10Mivoaha, mivoaha amin’ ny vavahady, amboary ny lalana halehan’ ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ ny firenena.
Isaiah 63:4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
Ezekiel 34:25Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.