Bokin'i Isaia 36:5
Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 18:7Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin’ izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria izy ka tsy nanompo azy.
Nehemiah 2:19Fa nony ren’ i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ ny mpanjaka angaha ianareo?
Proverbs 24:5Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
Ezekiel 17:15Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?