Bokin'i Isaia 37:14
Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary Hezekia nivavaka tamin’ i Jehovah nanao hoe:
Cross References
1 Kings 8:28Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan’ ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon’ ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
1 Kings 9:3Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
2 Chronicles 6:20mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
Psalms 62:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Davida.
Psalms 76:1Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira.
Psalms 143:6Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. [Sela.]