Bokin'i Isaia 37:19
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 5:21Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’ i Davida sy ny olony ireny.
Isaiah 10:7Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
Isaiah 10:10Tahaka ny nahatraran’ ny tanako ny fanjakan’ ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an’ i Jerosalema sy ny an’ i Samaria aza ny sampin’ ireo,
Isaiah 26:14Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
Isaiah 40:19Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
Isaiah 41:24Indro, ianareo dia naman’ ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman’ ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.