Bokin'i Isaia 37:4
Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
Cross References
Joshua 14:12Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ izany andro izany; fa efa renao tamin’ izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’ i Jehovah.
1 Samuel 12:19Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’ i Samoela: Mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrao ho an’ ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin’ ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
1 Samuel 17:36Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
2 Kings 17:18Koa dia tezitra indrindra tamin’ ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
2 Kings 19:4Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.