Bokin'i Isaia 37:6
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
Cross References
Leviticus 26:8Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
2 Kings 19:5Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
2 Chronicles 20:15ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra.
Isaiah 7:4ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’ i Remalia.
Isaiah 35:4Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Isaiah 43:1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.