Bokin'i Isaia 38:16
Tompo ô, izany no iveloman’ ny olona, ary amin’ izany tokoa no iainan’ ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 8:3Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona.
Psalms 30:3Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
Psalms 119:25Miraikitra amin’ ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
Matthew 4:4Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.
2 Corinthians 4:17Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,