Bokin'i Isaia 38:17
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 3:25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
Psalms 10:2Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny.
Psalms 30:6Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Psalms 85:2Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ ny fahababoany.
Psalms 88:4Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.
Psalms 103:4Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,