Bokin'i Isaia 38:19
Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 18:19Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
Exodus 12:26Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao?
Deuteronomy 4:9Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
Deuteronomy 6:7Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
Joshua 4:21Dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ ireo vato ireo?
Psalms 78:4Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.