Bokin'i Isaia 38:7
Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 9:13Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.
Judges 6:37indro, hapetrako eo amin’ ny famoloana ity volon’ ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon’ ondry ihany no lenan’ ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
Isaiah 7:11Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony.
Isaiah 37:30Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin’ ity taona ity ianareo; ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.