Bokin'i Isaia 40:11
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 49:24Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,
Psalms 28:9Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.
Psalms 80:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa.
Isaiah 49:9ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany.
Ezekiel 34:12Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.
Ezekiel 34:16Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ ny fitsarana.