Bokin'i Isaia 40:22
Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 13:33ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin’ ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
Job 22:14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
Job 36:29Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
Job 38:4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
Psalms 29:10Jehovah nipetraka teo ambonin’ ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.
Psalms 102:25Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.