Bokin'i Isaia 40:30
Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Even the youths shall faint and be weary, and the young men shall utterly fall:
In Context
29Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
Cross References
1 Samuel 30:10Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
Psalms 34:10Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
Ecclesiastes 9:11Ary hitako atỳ ambanin’ ny masoandro indray fa tsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
Isaiah 13:18Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran’ ny masony.
Jeremiah 9:21Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Amos 2:14Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;