Bokin'i Isaia 40:5
Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 72:19Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
Psalms 97:6Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
Psalms 102:17Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;
Isaiah 6:3Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masìna, masìna, masìna Jehovah, Tompon’ ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.
Isaiah 26:15Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
Isaiah 35:2Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika.