Bokin'i Isaia 41:10
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 15:1Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
Exodus 14:13Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Deuteronomy 31:6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Joshua 1:9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
2 Samuel 22:19Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
2 Chronicles 20:17Tsy ianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.