Bokin'i Isaia 41:18
Hampiboika renirano ao amin’ ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 15:19Dia nampitresahin’ Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
Psalms 78:15Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.
Psalms 107:35Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
Isaiah 12:3Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.
Isaiah 32:2Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ ny rivotra sy ho fialofana amin’ ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana.
Isaiah 35:7Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.