The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 41 › Bokin'i Isaia 41:2

Bokin'i Isaia 41:2

Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ ny fahamarinana tamin’ ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Who raised up the righteous man from the east, called him to his foot, gave the nations before him, and made him rule over kings? he gave them as the dust to his sword, and as driven stubble to his bow.

In Context

1Mangìna hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin’ ny fitsarana.

3Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’ izay lalana tsy mbola nodiavin’ ny tongony.

Read all of Bokin'i Isaia 41

Cross References

Genesis 11:31Ary Tera nitondra an’ i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’ i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’ i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ ny Kaldeana hankany amin’ ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.

Genesis 14:14Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.

2 Samuel 22:43Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.

2 Chronicles 36:23Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.

Isaiah 40:24Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin’ ny tany ny fotony, dia notsofin’ Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin’ ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.

Isaiah 41:25Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 41:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 41:1Bokin'i Isaia 41Bokin'i Isaia 41:3 →