Bokin'i Isaia 41:20
Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan’ i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no nahary izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan’ i Jakoba.
Cross References
Exodus 9:16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.
Job 12:9Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,
Isaiah 28:29Izany koa dia avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa mahagaga amin’ ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin’ ny fahendrena.
Isaiah 43:7Dia izay rehetra antsoina amin’ ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
Isaiah 44:23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
Isaiah 66:2Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.