Bokin'i Isaia 41:4
Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’ izay lalana tsy mbola nodiavin’ ny tongony.
5Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
Cross References
Deuteronomy 32:7Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin’ ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
Isaiah 40:12Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin’ ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ ny fandanjana sy ny havoana tamin’ ny mizana?
Isaiah 41:20Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan’ i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no nahary izany.
Isaiah 42:24Iza no nanolotra an’ i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an’ ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;
Isaiah 44:6Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Isaiah 46:10Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,