Bokin'i Isaia 41:7
Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin’ ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin’ ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
8Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’ i Abrahama sakaizako,
Cross References
Judges 18:24Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
Isaiah 44:12Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
Jeremiah 10:3Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky;
Daniel 3:1Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin’ ny tany lemaka Dora tamin’ ny fehin’ i Babylona izany.