Bokin'i Isaia 42:10
Hianareo izay midìna any amin’ ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ ny faran’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 16:32Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
Psalms 40:3Dia nampakatra ahy avy tao amin’ ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
Psalms 96:11Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
Psalms 98:1Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena.
Psalms 117:1Miderà an’ i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.
Psalms 150:6Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.