Bokin'i Isaia 42:25
Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin’ ny fony
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:15ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
2 Kings 25:9ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
Isaiah 9:13Ka dia nofongoran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro
Isaiah 47:7Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
Isaiah 57:11Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
Jeremiah 12:11Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.