Bokin'i Isaia 43:14
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
Cross References
Psalms 19:14Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe.
Isaiah 43:1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
Isaiah 44:6Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Isaiah 47:4Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
Isaiah 54:5Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
Jeremiah 50:17Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan’ i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.