Bokin'i Isaia 43:17
Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
Cross References
Exodus 14:23Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ ny ranomasina, dia ny soavalin’ i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Judges 4:16Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’ i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Psalms 76:5Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ ny tendrombohitra fitohàna.
Isaiah 1:31Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
Ezekiel 38:8Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin’ ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin’ ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
Revelation 20:8ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin’ ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.