Bokin'i Isaia 43:25
Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 25:11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
Psalms 51:4Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
Psalms 79:8Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
Isaiah 1:18Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
Isaiah 38:17Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
Isaiah 44:22Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.