Bokin'i Isaia 43:3
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 10:7Ary hoy ny mpanompon’ i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
2 Chronicles 14:9Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy.
Proverbs 21:18Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy.
Isaiah 30:11Mialà amin’ ny lalana, mivilia amin’ ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin’ ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
Isaiah 45:14Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
Isaiah 45:21Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.