Bokin'i Isaia 44:12
Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 32:4Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Isaiah 40:19Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
Isaiah 46:6Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
Habakkuk 2:13Indro, tsy avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, va no hiasan’ ny olona ho an’ ny afo, Sy hisasaran’ ny firenena noho ny zava-poana?