Bokin'i Isaia 44:17
Ary ny sisan’ izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 2:8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Isaiah 37:38Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
Isaiah 46:6Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
Daniel 3:17Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ ny tananao, ry mpanjaka ô.
Daniel 6:16Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
Daniel 6:27Manao lalàna aho mba hangovitan’ ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Daniela eran’ ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ ny farany.