Bokin'i Isaia 44:27
Ary milaza amin’ ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That saith to the deep, Be dry, and I will dry up thy rivers:
In Context
Cross References
Genesis 8:1Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
Psalms 74:15Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
Isaiah 42:15Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.
Isaiah 50:2Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta.
Isaiah 63:12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
Jeremiah 51:32Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin’ ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.