Bokin'i Isaia 44:8
Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin’ ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 28:13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
Genesis 48:19Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
Leviticus 26:1Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Deuteronomy 4:35Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
Deuteronomy 28:1Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
Deuteronomy 32:31Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.